- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAnkatso – Ambohimiandra : Mpianatra tratra nifoka rongony

Ankatso – Ambohimiandra : Mpianatra tratra nifoka rongony

Tsy nampoizin’izy ireo mihitsy, ny mpitandro filaminana nidina teny amin’iny faritra Ankatso sy ny manodidina iny. Mpianatra  dimy no tratra am-bodiomby, teo am-pifohana rongony teny Antsahamamy, Ankatso, ny talata hariva  teo. Tsy vitan’ny nifoka izy ireo, fa mbola nahatratrarana fonosana maromaro ihany tany aminy, araka ny voalazan’ny pôlisy, nanateraka ity fisafoana ity. Fa ankoatr’io teny Ankatso io, dia nahavalalanina sy nampisahotaka ny mponina rehetra teny amin’iny faritra Ambohimiandra iny, ny fisiana andian’olona maromaro, noraofin’ny pôlisy. Raha ny voalazan’ireo mponina teny an-toerana nahitana ity trangan-javatra ity, dia nandeha tongotra izy ireo ka ny roa taminy ihany no nofatorana rojovy. Raha ny fanazavana azo dia tratra teo am-pifohana sy fivarotana rongony ireto olona  valo ireto. Raha ny omaly sy afak’omaly fotsiny izany, tafiakatra 13 no  tratra nifoka rongony. Araka ny fantatra dia manao hetsika hitandroana ny fandriahampahalemana sy ho famongorana ireo asa ratsy, eny amin’ireo boriborintany isan’isany, amin’ity fetin’ny faran’ny taona efa mihamanakaiky  ity, ireo sampana maromaro ao amin’ny polisim-pirenana, nanomboka ny herinandro lasa teo. Inoana anefa fa tsy hijanona amin’ny fanjonoana ireo mpidoroka ihany, fa mba hiafara amin’ny fahatratrana ireo jiolahy rain-dahiny, mpamono olona, mpamaky trano sy mpanendaka, hahafahan’ny vahoaka hanao fety am-pilaminana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser