Dahalo niova fo 40 no nandrasana ho tonga omaly tetsy amin ny fasan’ny karana. Hiasa sy hitady vola aty an-drenivohitra ny anton-dian’ireo raha araka ny nambaran’ny manam-pahefana iray avy any atsimo. Nahato tamin’ny ora farany anefa ny fahatongavan’ ireto dahalo niova fo ho eto Antananarivo ireto, noho ny tsy fahampian’ny vola omena azy ireo. Mbola mijanona ao Amboasary atsimo araka izany ireo dahalo ireo amin izao, miandry ny vola izay raha ny fantatra avy amin ny solombavambahoaka iray. Nisy ny fivoriana teo amin’ireo ben’ny Tanana avy any amin’ny faritra atsimo momba ny fandefasana ireto dahalo ireto aty an-drenivohitra. Efa tonga teto Antananarivo ireo ben’ny tanana ireo omaly tamin’ny iray ora maraina, tetsy amin’ny fiantsonan’ny taxi-brousse etsy amin’ny fasan’ny karana. Tamin’ny 12 ora antoandro, omaly ihany, no nandrasana ireo dahalo niova fo, saingy tsy tonga. Mbola an-jatony kosa ireo dahalo izay mbola tsy nilavo lefona tany amin’ny faritra atsimo toy ny tao Amboasary atsimo. Maro amin’izy ireo no lasa niova toerana any amin’ny faritra Ambovombe, ka any no manohy ny asa ratsiny. Tao amin’ny distrikan’Antanimora, tompon’omby iray no notafihan’ny andian-dahalo efa am-polony ny alatsinainy teo. Nokapain’izy ireo tamin‘ny famaky ny lohan’ ity tompon’omby ity sy ny vadiny izay bevohoka. Mbola tsaboina any amin ny hopitaly, miady amin’ny fahafatesana izy ireo amin‘izao raha ny vaovao voaray avy amin’ny mponina any an-toerana. Misy ihany ireo mpitandro ny filaminana mipetraka any, saingy nitaraina ny olona tamin’ity indray mitoraka ity, satria tsy nigadona teo amin’ilay toerana nanafihana mihitsy. Nilaza ho tsy nisy lasantsy izy ireo, raha ny fanazavan’ny olona tao an-toerana taminay. Mitàna ny sain’ny besinimaro ity resaka “dahalo niova fo” ity, indrindra ny amin’ny fomba nataon’ny zandary mba hanovana kolontsaina iray. Ny dahalo mantsy dia kolontsaina alohan’ny maha-asan-jiolahy azy. Dia ahoana izany no fomba nampiova tampoka ny fomba izay efa hatramin’ny faha-mpanjaka? Eo indrindra no mipetraka ny fanontaniana. Indrindra koa raha nisy avy hatrany ny teti-bola natokana ho amin’ny famerenana eo anivon’ny fiaraha-monina ireo olon-dratsy taloha ireo, herinandro monja taorian’ny nilavoan’ireo dahalo lefona. Maro ny nametram-panontaniana sao dia mba “bizna” indray izy ity. Na ny basin’izy ireo dahalo aza mantsy dia naverina tany amin’izy ireo ihany rehefa nisy ny taratasy nanamarina ny momba izany. Dia azo heverina ve izany fa mahay mamaky teny sy manoratra avokoa ireo dahalo manana basy ireo. Raha ny marina mantsy dia ny vatan-dehilahy rehetra ao an-tanàna, any atsimo any, any amin’ny toeran’ny dahalo, dia manana basy avokoa. Na izany basim-borona, na izany basy vita gasy…
D.R