- Publicité SW45 -
jeudi, janvier 2, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohimalaza : Ankizivavy tsy hita telo andro, notazomina lehilahy

Ambohimalaza : Ankizivavy tsy hita telo andro, notazomina lehilahy

Teti-dratsy efa vita tetika sa fo nasesiky ny fitiavana ? Tovolahy no voasambotra ary nampidirina am-ponja vonjimaika noho ny fitazomana tovovavy tao an-tranony. Ity farany izay efa nifampitadiavan’ny fianakaviana ary voalaza fa efa tsy hita telo andro.

Efa tany amin’ny faramparan’ny volana martsa teo no niseho ity tranga hafa kely ity tetsy Ambohimalaza. Very ary tsy hita tany nanjavonana ity tovovavy iray. Efa nanao fampilazana tetsy sy teroa ireo fianakaviana ary tonga hatrany amin’ny filazàna tamin’ny radiom-pirenena mihitsy aza. Nandritry ny telo andro teo, raha ny fampahafantarana nataon’ny zandary avy etsy amin’ny tobim-paritra Ambohimalaza no tsy hita izany tovovavy izany. Ny andron’ny 27 martsa teo, nisy fampilazana azon’ireo zandary fa misy tovolahy mitazona ankizivavy ao aminy, tetsy amin’ny tanana antsoina hoe Antetina. Nampiahiahy tanteraka izany fihetsik’ity tovolahy ity, moa etsy andanin’izay misy an’ilay tovovavy tsy hita rahateo. Nidina avy hatrany teny an-toerana ireo mpitandro filaminana ary voasambotra tao an-tokatrano ilay tovolahy. Nisy ankizivavy rahateo niaraka taminy tamin’izay ary rehefa natao ny fampifandraisana ny raharaha dia fantatra fa ilay tovovavy nokarohin’ny havany ary tsy hita efa ho telo andro ilay hita tao. Notazomina avy hatrany ho amin’ny famotorana azy moa ilay tovolahy ary natolotra ny Fampanoavana ny talata lasa teo. Nandray fanahapahan-kevitra ny hampiditra azy am-ponja avy hatrany ireo mpitsara famotorana noho ny fitazomana sy fanodinkodinana zaza tsy ampy taona, miandry ny fotoam-pitsaràna azy.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici