Nisehoana lozam-pifamoivoizana indray ny teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra (Rn4). Ny tolakandron’ny Alatsinainy faha 08 Aprily 2024 teo, tao amin’ny tanàna antsoina hoe Andrangonala, any amin’ny kaominina ambanivohitra Antanimbary, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna no niseho izany. Lehilahy iray antsoina hoe : Chelyn, izay monina any amin’ny toerana voalaza etsy ambony no nandeha kodiaran-droa na môtô, avy aty Maevatanàna, izay avy namonjy tsena sy nanao hiraka amin’ny fividianana hentana hilaina andavan’andro sy nikasa hamonjy fiodiana no nifanehitra tamin’ny fiara tsy mataho-dalana iray, na fiara 4×4 tao anaty fiolanana , ka nipitika tsy nisy noraisina ny môtô sy maty tsy tra-drano ranamana nandritra izany loza niseho tany an-toerana izany. Efa mihantrana marobe any an-toerana moa ny Zandary miandraikitra ny fifamoivoizana eto Maevatanàna an-tampon-tanàna, ny harivan’ny Alatsinainy teo ihany. Ny razana kosa, dia hiandrasana ao amin’ny tranom-ponenan’ny Ratompokolahy, izay ao Antanimbary an-tampon-tanàna. Ny fiara 4×4 moa, dia notazomina am-balam-pamonjana no hatao famotorana ihany koa ny mpamilly.
Ratantely