Tsy mitsahatra ny manao fanadihadiana sy ny fikarohana an’ireo olon-dratsy sy mety ho tompon’antoka tamin’ny fakana an-keriny niseho tao Ambolosy, kaominina Ambakireny, any amin’ny disitrikan’i Tsaratanàna, ato anatin’ny faritra Betsiboka, ny andron’ny fahefatra ny volana Febroary 2024 lasa teo, ny Zandary avy ao amin’ny borigady Brieville, izay hiandraiketany kaompania Andriamena. Noho izany dia nody vetiny ny rano natsakana, rehefa nanohy ny asany tamin’ny fanadihadiana lalina ny mpitandro ny filaminana mahakasika ity raharaha fakana an-keriny olona roa niseho tamin’ny toerana voalaza etsy ambony ity, ka olona efatra no voamarina fa voasambotra, niray tsikombakomba tamin’izany tranga izany. Raha ny fampitam-baovao hatrany dia niray tamin’ireo olona voasambotry ny Zandary no tompona kijana nieran’ireo dahalo mpaka an-keriny, niray ihany koa mpitari-dia nitarika ireo malaso nandritra ny fanafihana. Ny roa ambiny farany moa tompon’omby namahana ny jiolahy nanao asa ratsy sy namerivery mmahakasika ny fanafihana. Notazoma hatao famotorana ao amin’ny biraon’ny Zandary hatrany izy efatra ireo. Mitohy hatrany fikarohana ireo malaso ataon’ny Zandary.
Ratantely



