- Publicité SW45 -
samedi, décembre 21, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRN2 : Mirongatra indray ny halatra entana ambony taxibrousse

RN2 : Mirongatra indray ny halatra entana ambony taxibrousse

Mitairana ireo mpampiasa lalana sy ireo mpitatitra. Miverina mirongatra indray ny halatra entana ataon’ireo olon-dratsy eny amin’ny lalam-pirenana, indrindra fa iny lalam-pirenana faharoa iny. Tsy vitan’ny ireo entana eny ambony tafo intsony no ezahin’ireo tsy valahara alaina fa na hatramin’ireo entana anaty « coffre » sy « soute » mihitsy aza, raha ny voalazan’ireo efa tratra. Mazàna aloha dia ireo fiara mpandeha alina no tena lasibatra ary eny amin’ireo toerana tena ratsy lalana sy tsy ahafahan’ny fiara mandeha mafy firy no mitranga izany karazana halatra izany.

Marihana fa tsy vao izao no nisy fangalaran’entana ataon’ny olon-dratsy eny amin’ireo lalam-pirenena ity fa efa hatramin’izay. Saingy somary nangingina kely izany teo aloha teo, rehefa nisy ny fanamboaran-dalana nataon’ny Fanjakana. Amin’izao dia io miverina io indray, amin’ity lalan-dratsy efa mampiteny ny moana ity. Manoloana ny zava-nisy sy mandrampiandry ny fandraisana andraikitra ataon’ireo tompon’andraikitra amin’izany dia samy manana izay hiarovany ny entany ireo mpitatitra. Tsy mahagaga araka izany ka maro amin’ireo fiara no ahitàna « fil barbelés » manodidina ny entana ambony tafo sy tsato-by maranitra amin’ny varavarana aoriana. « Efa io aloha ny lalana misy dia io no tsy maintsy aleha, ary izahay tsy maintsy miasa. Ny fiarovana fotsiny no atao mafy tsara » hoy ny filazan’ity mpamily iray, manao zotra mampitohy an’i Toamasina sy ny Mahajanga.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici