- Publicité SW45 -
jeudi, décembre 12, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversBetsikoka : « Pasipaoro » sandoka no entin’ny dahalo mivezivezy

Betsikoka : « Pasipaoro » sandoka no entin’ny dahalo mivezivezy

Sarona tao anatin’ny operation “Harato 2”.

Mitohy hatrany ny hetsika fampandriana fahalemana ny tany hataon’ny Zanadary aty amin’ny faritra Betsiboka, amin’ny alalan’ny  » Opération Harato 2″ hiadiana amin’ny asan-dahalo sy ireo tsy mataho-tody manakorontana filaminam-bahoaka, na io halatr’omby na fakana an-keriny, na ihany koa fanafihana mitam-piadiana. Raha ny angom-vaovao voaray tamin’ny lehiben’ny vondro-tobim-pileovan’ny Zandary aty an-toerana hatrany, dia nisy ny fiaraha-miasa sy ny loharanom-baovao avy any amin’ny vondro-tombim-paritra Zandary ao Ankazobe, izay nahafana namantatra ny toerana nierenan’ilay dahalo, tao amin’ny manodidina ny Ikelimahavoky, ka olona tsara sitra-po no nampandre mangigina ny Zandary iray, izay nidina avy hatrany tany an-toerana nanao ny fikarohana ny olon-dratsy, fa misy olona mihaodihaody ao an-tanàna hatramin’ny Alahady faha 14 Aprily 2024. Tamin’izay indrindra no niafina tamina tranon’olona iray tokoa ilay malaso, ary efa nioman-komana hifindra toerana hafa, niaraka amin’ny vatsy toy ny: fotsim-bary sy paty no sarona. Tamin’io andro voalaza etsy ambony io no noentina hamonjy biraon’ny Zandary, ka teny an-dalana nandeha tongotra, tamin’ny toerana antsoina hoe: Amparihikapika, fito kilaometatra avaratra andrefan’ny fokontan’Ambohidahy, any amin’ny kaominina ambanivohitra Morafeno Boana, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna no nisy poa-basy avy any andrefana, ka raikitra avy hatrany ny fifandonana nandritra izany, teo no nanaraotra nilefa ity farany, saingy efa nomena fampitandremana mbola nanao fanahiniana tsy nety nijanona havoto ao ra.tongotra, taorain’izay no tsy nisalasala nitifitra ny mpitandro ny filaminana, ka teo no nahalavo azy. Raha ny vaovao voamarina hatrany, makasika an’ity olon-dratsy ity, dia manana karinie pasipaoro, manondro sy mirakitra ny toerana hivezivezena sy handrebirebena, ary hiheveran’olona azy ho madio. Voatondro ao anatin’ilay karinie, fa tokony hiala ao amin’ny tanànan’Ambohimiandra izy, ny faha 14 Aprily 2024, izay hihazo an’Amparafaravola , kanefa nivily lalan-kafa. Dahalo raindahiny amin’ny halatr’omby sy fakana an-keriny ity lehilahy ity, ary nokarohana nandritra ny taona 2021 no fantatra amin’ny anaram-bositra hoe: Gué. Mitohy hatrany ny hazalambo amin’ireo dahalo nifandona tamin’ny ny Zandary. Nomena baiko ireo Zandary ao amin’ny Poste fixe Ambohidahy sy Antsahalava, hanatanteraka rodoben’ny fandriama-pahalemana mba hanaovana savao any an-toerana.

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici