- Publicité SW45 -
dimanche, janvier 5, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatanàna : Ady amin'ny fiparitahana zava-mahadomelina olona sivy no voasambotra

Maevatanàna : Ady amin’ny fiparitahana zava-mahadomelina olona sivy no voasambotra

Noho ny fiparitahin’ny zava-mahadomelina eto Maevatanàna an-tampon-tanàna, dia nisy  ny hetsika nataon’ny polisim-pirenena aty an-toerana, mba hisoroahana amin’ny mety firongatr’izany. Ny sabotsy 13 Aprily 2024 teo, no nahitam-bokany ny hetsika natao, ka olona miisa fito mianadahy no tra-tehaky ny polisy amin’ny fiparitahana zava-mahadomelina, tao amin’ny fokontan’Ambatofotsy, ato anatin’ny kaominina Maevatanàna voalohany, ka ny efatra amin’izy ireo, dia mpidoroka rongony, raha mpivarotra rongony kosa ny roa ambiny sy ilay vehivavy mitaiza kely iray. Rehefa natao moa ny fisavana ny tranon’ireto farany, dia mbola hita sy voamarina ny fisiana rongony amin’ny fonosana maromaro. Taoarian’ny fanadihadiana natao azy ireo, dia natolotra ny fampanoavana, izy fito mianadahy no tsy nisalasala ny tonia mpampanoa lalàna ny nampiditra azy ireto teny amin’ny fonjan’Ambodimadiro ao amin’ny mangahazo tsy vidina. Tsy nijanona hatreo anefa ny hetsika nataon’ny polisim-pirenena, fa nitohy hatrany, ary nisy ihany koa feo niely makasika ny fisian’olona mivarotra rongony, eny amin’ny fokontany Anosy kely atsimo, ato anatin’ny kaominina Maevatanàna ambonivohitra. Nidina nanao ny fikarohana teny an-toerana tsy nisy hatak’andro izy ireo, ary voasambotry nandritra izany ny lehilahy iray mpivarotra rongony. Mbola tratra teo am-pifohana rongony tao an-tranony ny namany iray hafa. Noentina teny amin’ny biraon’ny polisy moa izy roa lahy ho hatao famotorana no nanaovana tatitra mahakasika ity tranga ity ny mpitsara ao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany eto Maevatanàna. Ny Alatsinainy faha 22 Aprily 2024 izao, no hatolotra ny fampanoavana izy roalahy. Raha ny angom-vaovao hatrany dia, miisa sivy minadahy ny fitambaran’ireo olona voasambotry ny polisy tamin’ny fiandohany faha 13 Aprily 2024, ary niampy rongony fonosana 22 niaraka tamin’izy ireo. Mitohy hatrany moa ny hetsika hiadiana amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina, hoy ny kaomisera eto Maevatanàna raha nitondra fanazavana taminay hatrany, no nanentana ny isam-batan’olona tsirairay avy ny tenany, mba tsy hisalasala hitoroko sy hiantso ny laharana maintso « 017 »amin’ny Airtel, indrindra hiantso azy mivantana amin’ny laharam-pidainy amin’ny 034.05.998.69, na andro na alina, rehefa mahita tranga mampiahiahy eny anivon’ny hiaraha-monina sy ny eny fokotany avy.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici