Asa fanamboarana, fanarenana ireo fotodrafitrasa rava na simba, isan’izany ny lalana, ny tsena, voakasika ihany koa ireo toeram-pizahan-tany hatramin’ny resaka fanadiovana, ireo no hiompanan’ny tetika PADEVE II eto amin’ny tanànan’Antsirabe na “ Programme d’Appui au Développement de la Ville Equilibre” izay ny AFD “Agence Française de développement” no mamatsy vola azy.
Fantatra ireo nandritra ny fitsidihana ara-diplomatika nataon’ny AFD tao amin’ny faritra Vakinankaratra ny herinandro lasa teo. Atoa Florian Mugnier, tale lefitry ny AFD no nitarika ny fitsidihina ara-pomba fanajana, ka ny governoran’ny faritra, Vy vato Rakotovao, no nandray ireo delegasiona ireo.
Marihina fa tompomarika amin’ny fanatanterahana ny tetikasa ny ministeran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny tany. Anjaran’ny eo anivon’ny kaominina kosa no manaramaso sy mikojakoja ny fotodrafitrasa vita rehetra.
Tanjona amin’ity tetikasa ity mantsy ny hananana fotodrafitrasa mafy sy mateza holovain-jafy.
Andry N