- Publicité SW45 -
vendredi, octobre 18, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToamasina : Misoloky ho mahatafiditra miasa ao amin’ny seranana

Toamasina : Misoloky ho mahatafiditra miasa ao amin’ny seranana

Volabe no alainy. Miainga amin’ny telo tapitrisa ariary ny kely indrindra ary tonga hatramin’ny enina tapitrisa ariary. Tsotra ihany ny fomba fiadiny : mampanantena olona ho mahatafiditra miasa ao amin’ny seranan-tsambo na koa mahakasika ny fanitarana an’izany ao Toamasina. Dia betsaka tokoa ny roboka noho ny tsy fananana asa ary ny kely mba tokony ho ambim-bava dia lasany daholo. Vehivavy no tompon’antoka tamin’izany asa fisolokiana izany. Vitany tsara ny mandresy lahatra ireo olona harapaka ary vetivety dia mivoaka ny paosy ny vola. Mandeha anefa ny fotoana tsy nisy vokany ny fampanantenana. Etsy andanin’izany, nanjavona ilay vehivavy ary rehefa mba antsoina amin’ny findainy dia izy indray no avo vava. Nipetraka ny fitoriana mahakasika azy ary rehefa nandeha ny fikarohana dia voasambotry ny zandary ihany ilay vehivavy. Anjakan’ny fisolokiana ankehitriny eto amintsika noho ny tsy fisian’ny asa ary koa noho ny tsy fahalalàna. Etsy ankilan’izay, lasa kolontsaina ny kolikoly ary toa lasa ao an-dohan’ny olona ny hoe rehefa tsy mahafantatra olona dia tsy mahavita zavatra na tsy mahazo asa.

D.R

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici