Solosaina roa, tablette, fakan-tsary ary finday. Izay no nanjavona tao amin’ilay atrikasa izay notanterahina tetsy Ambatomaro omaly. Olona avy any Toliara no tompony ary raha sendra nivoaka kely tany amin’ny efitrano fisainana izy ka niverina dia efa tsy hita intsony ny kitapony. Kitapo hafa izay misy antontan-taratasy tsy dia misy dikany loatra no navelan’ilay mpanao ratsy teo. Na izany aza anefa dia nisy kara-panondro tao anatin’io ary heverina fa hifototra amin’io ny fanadihadiana izay nosokafan’ny zandary nantsoin’ny tompon’ilay toerana. Soa fa naka ny sarin’ny olona izay tao anatin’ilay efitrano ny mpikarakara, sary izay tsy noeritretina hampiasaina amin’ny fanadihadiana akory, fa kosa entina hatao fahatsiarovana. Rehefa nojerena tsirairay izany dia hita tokoa ny sarin’ny tovolahy iray izay tsy nisy nahafantatra. Manao lobaka fotsy sy “jean” ambany ary nisy kitapo mainty teo akaikiny. Nalain’ny zandary ilay sary ary efa mandeha ny fikarohana an’ilay ahiana ho mpisandoka, omaly ihany. “Io mihitsy no ahiako voalohany. Tsotra ny antony, mitovitovy amin’io ny kitapoko, miloko mainty. Mody najanony teo ny azy dia ny ahy no nentiny. Raha heverina fa nifamadika izany dia tokony niverina izy. Fa amiko, tsy misy afa-tsy io ilay mpangalatra”, hoy ny fanazavan’ilay olona very entana. Mandeha ny fikarohan’ny zandary azy nanomboka omaly. Soso-kevitra hatolotra ny mpikarakara amin’ny manaraka ny fanomezana “badge” ho an’ireo mpandray anjara. Tsy maninona ihany koa raha savaina ny karatra satria mandoto ny lazan’ny asa ny toa izao…
D.R