Nijininika indray ny rà teny amin’iny faritra Ambohidroa iny, ny alakamisy hifoha zoma lasa teo. Raim-pianakaviana iray no maty tsy tra-drano, voatifitry ny jiolahy nirongo fiadiana, tafiditra tao an-tranony. Tokony ho tany amin’ny iray ora maraina tany no nitranga ity fanafihana ity. Jiolahy efatra, mirongo kalaky, no niditra amboletra tao amina tokantrona mpivady iray, mpivarotra enta-madinika eny an-toerana. Raha ny voalazan’ireo mpanao famotorana dia ankevitry ny efa tetika maty paika mihitsy ity fanafihana miharo famonoan’olona ity. Efa fantatr’ireo olon-dratsy amin’ny antsipiriany mantsy ny lalana miditra mankany amin’ny efitr’izy mivady, izay sarotsarotra ho an’ny olona tsy ao an-trano. Ambonin’izay, mifefy tambohobe be ity tanana ity raha ny fanazavana azo hatrany. Tsy nisy resaka, tsy nisy na inona na inona fa raha vantany vao voapitsoka ilay varavarana mankao amin’ny efitr’izy mivady, dia nirefotra teny amin-drangahy ny basy. Niditra teo amin’ny tratrany ny bala, nahazo ny fony sy nanapitra ny ainy. Tetsy andanin’izay, voadoraka mafy dia mafy tamin’ny vodibasy kosa ramatoa vadiny. Vita ny asa ratsiny vao nitaky vola sy nanendaka ny firavaka volamena rehetra teny an-koditr’ilay ramatoa ireto jiolahy ireto. Lasa tamin’izany ny vola roa hetsy ariary miampy firavaka volamena maromaro. Raha ny vaovao voaray hatrany dia dimy mianaka izy no tao amin’ity trano ity. Tafatsoaka nandritra ny fanafihana ny iray tamin’ireo zanany ka niantso vonjy. Tonga avy hatrany teny an-toerana ny mpitandro filaminana saingy taim-bala sisa no tazana teny. Misokatra ny fanadihadiana ataon’ireto farany.
m.L