Ankizivavy 15 taona no nampiharan’ity tovolahy iray ny habibiany. Alainy an-keriny ao an-tranony ilay zazavavy ary entiny any aminy. Hanamparany ny filan-dratsiny ary aveo rahonany ho faty raha mikasa ny hanohitra azy. Ny alarobia teo no voasambotry nu polisy avy ao amin’ny kaomisarian’Amparafaravola ity tovolahy ity, taorian’ny fitoriana napetraky ny fianakavian’ilay zazavavy. Marihana, raha ny fampitam-baovaon’ny polisy dia misy rohim-pihavanana amin’ilay zazavavy lasibatra ihany ingahirainy. Zaodahin’ny renin’ilay zazavavy ihany mantsy izy. Ao amin’ny fokontany Ambatolampy kaominina Ambohijanahary no monina na ilay nahavanon-doza na olay lasibatra. “Mifanakaiky trano izy ireo ka adaladalain’ity lehilahy ity foana ra tovovavy (…) Matory miaraka amin’ny zandriny vavy ao an-dakozia ilay tovovavy ity ary alain’ilay lehilahy ao amin’ny alina. Fantatra fa noentin’ity lehilahy ity tao an-tranony ity zaza vavy 15 taona ity ary anamparany ny filàny tao isaky ny alina nanomboka ny volana Janoary teo (…) Rahonany ho faty sy ho vonoiny ilay niharamboina rehefa mitady hanohitra azy. ” araka ny voalazan’ireo mpanao famotorana hatrany. Nony fantatry ny fianakaviana izay zavatra izay no avy hatrany dia nametraka fitoriana izy ireo. Niditra an-tsehatra ny polisy ary izao tonga amin’ny fisamborana izao. Omaly no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ity mpanolana ity.
m.L