Tezitra ilay rangahy fa nivalan-drano tao anaty kilaotiny ilay zaza. Io farany izay vao herintaona monja. Nodarohany mafy tao amin’ny hatony ary nanomboka teo dia nandoa foana ilay zaza ny alina tontolo. Nentina tany amin’ny CSB2 eo Ambohimangakely saingy tsy tàna ny ainy. Namoy ny ainy omaly maraina ilay zazavavikely. Mpiambina ny asan-drangahy, 32 taona. Raha vao fantampantatra ny zava-nisy dia notazomin’ny zandarin’ny borigady Ambohimangakely avy hatrany izy mba hanokafana fanadihadiana. Vetivety ihany koa dia niely ny feo ary tezitra ny olona. Mba ho fiarovana ny ain’ilay rangahy amin’ny mety ho fitsaram-bahoaka dia nafindra toerana haingana ny fitazomana azy ary notanan’ny zandary ho tsiambaratelo izany. Famonoana zazakely no vesatra hitazomana ity lehilahy nahafaty ny zanany. Nalefan’ny zandary avy hatrany ny hafatra mahakasika ity raharaha ity izay miendrika fampitandremana : « horaisinay ho mpiray tsikombakomba izay mitady hiantsoantso na hiditra an-tsehatra amin’ny famotsorana ilay raim-pianakaviana nahavanon-doza. »
D.R