- Publicité SW45 -
mercredi, février 5, 2025
AccueilFaits-DiversMadirovalo : Lavon’ny zandary i Rija, dahalo raindahiny

Madirovalo : Lavon’ny zandary i Rija, dahalo raindahiny

Efa ela nifampitadiavana tamin’ireo mpitandro filaminana ity jiolahy raindahiny amin’ny resaka halatr’omby sy fanafihana mitam-piadiana ity. Araka ny fantatra dia efa maro ireo olona tany amin’iny distrikan’Ambatoboeny sy ny manodidina iny no nampitondrain’ity farany sy ireo namany faisana. Tamin’ity indray mitoraka ity, vita tanteraka ny aminy sy ny fanaovany asa ratsy.

Ny faran’ny volana lasa teo no nifanehatra tamin’ireo zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-paritra Ambatoboeny niaraka tamin’ireo fokonolona, izay nanao fisafoana tany amin’iny kaominina Madirovalo iny, ity jiolahy raindahiny ity sy ny namany. Velona avy hatrany ny fifanenjehana sy ny fifampitirana. Iretsy olon-dratsy moa, raha vao nahatazana ireo zandary fotsiny dia efa nampiasa ny fitaovam-piadiana teny am-pelatanany. Voatery namaly tifitra sy niaro tena ihany koa ireo zandary tetsy ankilan’izany. Tao anatin’izany fifanjevoana izany, hoy ny fampitam-baovao azo no nisy iray lavo tamin’ireo olon-dratsy. Tafaporitsaka kosa ny ambiny. Rehefa natao ny fitsirihana ny razana dia hita tamin’izany fa i Rija, ilay olon-dratsy hikoizana tany an-toerana ity maty voatifitra ity. Hita tsy lavitra ny razana ihany koa moa, raha ny fanazavana azo hatrany, ny basy poleta vita gasy iray, nampiasain’ity farany ity.

Taorian’ny fitsirahana nataon’ireo tompon’andraikitra moa dia efa nomena ny fokonolona ny razana. Mbola mitohy kosa ny fikarohana ireo namany hafa any an-toerana.

m.L

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici