- Publicité SW45 -
mercredi, janvier 15, 2025
AccueilÀ lireMaevatanàna-Lico Kininike : Nampanatsoin'ny polisy                                                                

Maevatanàna-Lico Kininike : Nampanatsoin’ny polisy                                                                

Ny andron’ny Alatsinainy faha 29 Aprily 2024, teo no nahazo fifanarahana tamin’ny mpikarakara lanona fampisehoana ara-javakanto ny tarika Lico Kininike, teto Maevatanàna an-tampon-tanàna. Raha ny fampitam-baovao voaray hatrany, dia efa misy fepetoana faharetana ny fiafaran’ny fampisehoana na Spectacle, aty amin’ny renivohim-paritra Betsiboka, izay naoty navoakan’ny  » OMC: Organe Mixte de Conception » aty an-toerana no mamaritra amin’ny 12 ora alina, ny farany hanaovan’ny mpanakanto lanona na fiakarana sehatra eny ambonin’ny lampihazo, ny eny amin’ny kianjany La Place. Io andro voatondro etsy ambony io no niaka-tsehatra ny tarika Lico Kininike, saingy efa noresahin’ny Atoa kaomisera, amin’ny fanitarana ny ora vaorakotra avy amin’ny OMC, saingy tsy nasin’ny mpankanto Lico Kininike dikan’izany, raha ny vaovao voaray farany hatrany. Tany amin’ny roa ora (02) sy sasany marainan’ny Atalata faha 30 Aprily 2024, vao notaperin’ny fiakaran-tsehatra teny amin’ny kianjany La Place. Taorian’izay no nampanatsoina nalaky teny amin’ny biraon’ny polisy i Lico Kininike kely no nampifantarina azy ihany koa ny fitsipika mifehy ny fampisehoana na Spectacle eto Maevatanàna an-tampon-tanàna, hoy hatrany Atoa kaomisera sy nampitandriana azy amin’ilay teniny teny ambonin’ny lampihazo hoe: tsisy miala eto, azaovy ny ato. Io resaka nataon’i Lico Kininike io no tena tsy zakan’ny kaomisera sy nahatonga azy naniraka polisy nampanantso an’ity mpankanto avy any atsimo ity,. Taorian’izay dia nasaina namonjy ny trano nivanianan’ny mpanakanto Lico Kininike. Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici