- Publicité SW45 -
lundi, décembre 23, 2024
- Publicité -

Tapatapany

Toliara : Vazaha mamo nandratra mpivarotena. Ny alin’ny zoma teo, tokony ho tany amin’ny 9 ora sy 20 minitra tany ho any, tao Toliara, dia fiara 4×4 nentina vazaha iray efa mamomamo nandeha mafy no nifaoka ka nandona mpivarotena iray niresaka tamin’ny mpanjifany teo amoron-dalana. Naratra mafy voafaoky ny « pare-brise » teo amin’ny ilan-tsandriny havia ilay koaitra. Tsy nijanona ilay vazaha anti-dahy nandona fa nanohy ny diany sady mbola nirimorimo. Tsy nasiany sirany ny teo amin’ny manodidina niantsoantso azy, nisy mihitsy nitoraka ny fiara nentiny. Matetika mamoa-doza foana ny vahiny eto amintsika. Toa tazanim-potsiny ny fandikan-dalàna miendrika fanamparam-pahefana ataon’ny sasany amin’ izy ireo. Sa tratry ny kely tsy mba mamindro  eto amin’ny taniny ny gasy kely tafalentika lalina noho ny fahantrany.

Morombe: Ankizy niandry omby, lanin’ny voay. Masiaka ny voay amin’izao. Ankizilahy niara-niandry omby tamin’ny zokiny no lanin’ny voay, ny asabotsy teo; tany amin’ny reniranon’i Mangoky, distrikan’i Morombe. Raha ny vaovao voaray avy any an-toerana, dia niara-nandro tamin’ny namany ity zazalahy ity. Voalaza fa nanandrify lava-boay anefa izy ka narapak’ilay biby ary nentiny tany an-davany. Hatramin’ny omaly, raha ny fampitam-baovao hatrany, dia mbola tsy hita ny razana; ary matetika mamono olona ity renirano masia-boay ity, indrindra ireo miampita eo amin’izao andro mafana izao. Ny mponina any koa matahotra mamono voay noho ny fomban-tany.

Nangonin’I Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser