Tsy nisy ratra na nahitàna rà ny vatany. Omaly maraina, tokony ho tamin’ny enina ora tany ho any, hatairana ny an’ireo mponina nandeha maraina tao Antanety, fokontany Ankadikely fa nahita tovovavy iray nitsirara tao anaty lalankely, handeha ho any Antanety Atsimo. Nampandrenesina avy hatrany ny tompon’andraikitry ny filaminana, izay nidina teo no eo ihany teny an-toerana, niaraka tamin’ny mpiasan’ny fahasalamana. Efa nitsirara sy tsy nisy aina intsony ity tovovavy ity tamin’ny fotoana nahatongavan’izy ireo teny an-toerana. Rehefa natao ny fitsirihana dia hita fa tovovavy sahabo ho 22 taona eo ho eo izy io. Tsy nahitàna diana fatotra na mangana na ratra teny amin’ny vatany, hoy ny angom-baovao. Torak’izany ihany koa, tsy nahitàna soritra fanolanana ihany koa izy io, raha ny filazan’ireo mpiasan’ny fahasalamana. Raha ny tombatombana dia ankevitry ny namoy ny ainy, vokatry ny aretina izay mety efa nitaiza azy ity vehivavy ity. Taorian’ireo fitsirihana isan-karazany natao moa dia nentina nihazo ny tobim-pahasalamana ny razana, miandry izay mety ho havany. Marihana fa tsy nisy olona nahafantatra izany vehivavy hita faty izany. Mandray an-tanana ny fanokafana ny famotorana kosa ireo zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Ankadikely.
m.L