Taorian’ireo tranga sy fitairanana maro samihafa, nanondraka ny tambjotra sosialy tao ho ato izay, mahakasika ny ataon’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny misahana ny fisavàna etsy amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena etsy Ivato, tafiditra tao anatin’izany ireo pôlisy misahana ny sisin-tany na ny PAF, dia nisy ny fidinana ifotony nataon’Atoa Contrôleur Général de police Rakotoarimanana Herilala, ministry ny Filaminam-bahoaka, niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy teny an-toerana. Nisy ny toromarika nomen’ity tomponandraikitra voalohany eo anivon’ny pôlisim-pirenena ity, ho an’ireo pôlisy rehetra miasa eny an-toerana. Hentitra dia hentitra ihany koa ny tenany nampahatsiahy fa « tsy hisy famidram-po ho an’ireo izay tratra [tsy manara-dalàna] ary hampiharna ny sazy henjana (…). Ary handray andraikitra manokana momba ireo pôlisy tsy mahafa-po na ratsy fitondran-tena ny Ministera .»
Fitaratra ahafahana sy hitarafarana an’i Madagasikara tokoa, indrindra fa ho an’ireo olona vao tonga ny eny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato. Tsy vitsy anefa no mitaraina, na vahiny na tompon-tany, ny amin’ny ireo toetra mamoehatra, tia kely ataon’ireo tompon’andraikitra sasantsany eny Ivato eny, izay voalaza fa mahavita manambaka, mangalatra ary manampatra fahefana mihitsy. Raha ho an’ny pôlisy manokana dia efa mazava iny ny tenin’Atoa Ministra :« hanampy ny vahoaka sy hitondra vahaolana no antom-pisian’ny pôlisy » fa tsy sanatria ny hifanohitra amin’izay. Nanentana ny olom-pirenena ihany koa izy « mba hanaraka ireo toromarika handaminana sy hampirindrana io sampan-draharaha io. »
m.L