- Publicité SW45 -
samedi, décembre 21, 2024
- Publicité -
AccueilÀ lireMandritsara-Sofia : Hiavaka ny Festival Sabotsibe andian'ny faharoa

Mandritsara-Sofia : Hiavaka ny Festival Sabotsibe andian’ny faharoa

Nohezan’ny mpikarakara atao miavaka ny  » Festival Sabotsibe, » andian’ny faharoa, izay hotanterahana any amin’ny renivohitrin’ny kaominina Mandritsara, any faritra Sofia iny, amin’ity indray mitoraka ity, raha nambaran’Atoa Lafon na Mama Events hatrany. Ny faha 14, 15, 16, Jona 2024 ny daty hanaovan’izany ao amin’ny Stade Municipal any Mandritsara, ka ny herinandro lasa teo iny no efa nampifantarina tamin’ireo mpiara-miasa sy ireo namana tany an-toerana, ny fisian’io hetsika tsy manam-paharoa io. Raha ny fanazavan’Atoa Lafon mpikarakara ny Festival Sabotsibe taminay hatrany, makasika ny antom-pisian’ny Sabotsibe, dia tsena lehibe isaky ny tapa-bolana, izay hamarotana omby avy any amin’ny faritra Boeny, Sofia no mandalo ao daholo, ka ny  » Sabotsibe Mandritsara no mamatsy omby any amin’ny faritra Analanjirofo, Antsinanana sy hatrany Alaotra Mangoro. Ny tanjona amin’izany hoy ny mpikarakara lanona, dia ampivoarana io tsena io, satria olona aman-drivony maro no velominy. Atao ho ara-dalana ihany koa ny hetsika mba iadivana amin’ny asan-dahalo. Eo ihany koa ny hitandrovana ny tontolo iainana, satria saika mpiandry omby no mandoro ala any amin’iny faritra Manadritsara iny hoy ihany fanazavany mpikarakara. Toy izany ihany koa ny fiadiana amin’ny aretina mifindra amin’ny firaisana ara-nofo sy VIH SIDA, satria maro ireo mpivarotena avy amin’ny faritra hafa no tonga ao, isaky ny tsena Sabotsibe Mandritsara. Raha ny fantatra hatrany, dia omby aman’alina no tonga amin’ny tsena Sabotsibe, ka lasa sehatra ifaharany kiotra ny toekarena amin’ny faritra Sofia, indrindra fa Mandritsara izany, ka rariny raha asina lanja sy hasina. Hajakan’ny hetsika maro ny Festival Sabotsibe Mandritsara, toy ny : Fanatanjahan-tena, kilalao sy fialambolony isak’arazany no hita mandritra izany raha nambarany mpikarakara hatrany.

 Ratantely 

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici