Ny marainan’ny Zoma faha 17 May 2024 teo, tokony ho tamin’ny 12 ora sy sasany antoandro no nampandre ny Zandary ao amin’ny borigady Andriba ny filoham-pokontan’i Kamolandy, any kaominina Andriba, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna, fa nisy mpitondra môtô iray, nandona mpandeha an-tongotra fantatra amin’ny anarana hoe: Rasoarimanana Blandine, eo amin’ny 40 taona eo, ka nitsoaka nandositra nalaky ilay lehilahy nitondra kodiarandroa, rehefa hitany nitsirara tamin’ny tany ny Ramatoa voadonany. Taorian’izay no nanao sakana tamin’ny lalam-pirenena fahefatra, teo amin’ny PK 193+700 ireo ekipan’ny Zandary avy ao amin’ny Poste Avancé Mahatsinjo, ka nitarika ny fisamborana an’ilay mpamily antsoina hoe: Jean Richard, tokony 36 taona eo, izay monina any Andoharanofotsy/Antananarivo. Rehefa nentina tao amin’ny biraon’ny Zandary ao Andriba ny navanon-doza, dia niaiky ity farany, fa nandona olona teny amin’ny toerana voalaza etsy ambony. Tsy niandry ela ny Zandary fa nosamborina sy notanana ao am-ponja vonjimaika ilay meloka no efa nampandrenesina ihany koa ny fianakavian’ny niharam-boina, ka ny borigadin’Andriba no misahana ny famotorana. Efa nahazo fitsaboana sahaza ao amin’ny CSB I Andriba kosa ilay Ramatoa voadonan’ny môtô no tsy misy hatahorana ihany koa ny ainy. Marihina fa avy any avaratra hianatsimo hamonjy fiodiana any Antananarivo moa ilay mpitondra môtô.
Ratantely
Maevatanàna : Mpitondra môtô nandona olona, nitsoaka
- Publicité -
Suivez nous
Articles qui pourraient vous intéresser