Nitrangana fanafihana mitam-piadiana tao amin’ny tananan’I Bemahatazana, ao amin’ny distrikan’I Tsiroanomandidy, ny alin’ny alakamisy hifiha zoma teo. Tokantrano iray tao an-toerana no nokasain’ireto olon-dratsy notafihana tamin’io fotoana io, saingy soa ihany, tonga haingaa ireo zandary. Raha ny fampitam-baovao azo dia efa tafiditra tao an-trano mihitsy ity ity olon-dratsy ity. Ary izay zavatra izay no nahataitra ireo tompon-trano sy niantsoan’izy ireo vonjy haingana. “Ny kotaba tao ambany rihana no nahataitra ireo tompon-trano tamin’ny torimasony (…)”. Minitra vitsy monja dia tonga ireo mpitandro filaminana ary raikitra ny fifanenjahana. Nitatatata ny basy. Ary tao anatin’izay no nahalavo ny jiolahy iray. “Dahalo tsy fantatra izay momba azy ity taraiky ity. Tsy misy mahalala azy ny mponina ao Bemahatazana. Tavela teo aminy koa ny basy lava vita tanana iray sy bala iray”
Mbola mitohy moa ny fikarohana ireo olon-dratsy any an-toerana.
m.L