- Publicité SW45 -
samedi, septembre 28, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversKAOMININA FOULPOINTE : Tokony hatao ho renivohitr`i Toamasina faharoa

KAOMININA FOULPOINTE : Tokony hatao ho renivohitr`i Toamasina faharoa

Isan`ny kaominina iray lehibe indrindra amin`ireo kaominna miisa 18 mandrafitra ny  distrika Toamasina II ny kaominina Mahavelona Foulpointe. Solombavambahoaka iray ihany no nisy teto hatrizay, nahatsapa ny mponina fa tsy dia tonga loatra ny hafatra tian`ny vahoaka hampitaina tao anatin`izay folo taona lasa satria tsy avy eto Foulpointe  rahateo ny solombavambahokan`ny Toamasina II fa avy amin`ny Sub Urbaine ka nampizara roa ny tanana hoy Ranaivoson Sampy Elin ben`ny tanan`ny kaominina Mahavelona Foulpointe. Tombony lehibe ho an`ny distrika Toamasina faharoa noho izany no hananana solombavambahoaka miisa roa satria raha ny halehiben`ny faritra dia rariny raha roa ny solombavambahoaka hisolo sy hitondran`ny tenim-bahoaka eny amin`ny antenimieram-pirenena hoy hatrany ny ben`ny tanana nanazava.

Ny kaominina Mahavelona Foulpointe no tokony ho renivohitry ny distrika Toamasina faharoa hoy hatrany ny fanazavana saingy te ho ivon`ny distrika ihany koa ny kaominina Sub urbaine ka izay no maha zava dehibe ny ametrahana solombavam-bahoaka roa eto Toamasina II.

Azo ambara fa nizotra ampilaminana ny fifidianana teto Mahavelona Foulpointe. Tsy nisy olana na mialohan`ny fifidianana na nandritra na taoriana fa nilamina tanteraka ankoatry ny fahataran`ny fitaovana sy ny lisim-pifidianana. Tsy nisy akony teo amin`ny fifidianana anefa izany.

Telo no kandida mpifaninana ho an`ny Toamasina faharoa, fantatra araky ny antontanisa vonjimaika voaray fa mitarika ny IRD kandida tsy miankina no laharana faharoa, laharana fahatelo kosa ny Firaisankina raha teto amin`ny kaominina Mahavelona Foulpointe.

Andry N

- Publicité Google Ads -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

  1. TSY NY HADIRIN’NY VELARA-TANY FA MIANKINA AMIN’NY HAMAROAN’ ISA NY MPONINA NO HAMARITANA NY ISAN’IZAY HO SOLOMBAVAMBAHOAKA ISAKY NY FIVONDRONANA ANDRIAMATOA BEN’NY TANANA.

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici