- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatomaro : Maizina tanteraka, ahiana ny firongatry ny tsy fandriam-pahalemana

Ambatomaro : Maizina tanteraka, ahiana ny firongatry ny tsy fandriam-pahalemana

Mandry tsy lavo loha ny mponina ! Nanomboka ny harivan’ny sabotsy teo, tokony ho tamin’ny fito ora sy sasany tany ho any no maizina tanteraka, tapaka ary tsy niverina ny jiro teny an-toerana, hatramin’ny fotoana nanoratanay omaly. Ny teo anivon’ny Jirama moa, raha nantsoina (ny sampana mpikarakaraka ny mpanjifa ao amin’ny 547) dia nilaza tsy taitra fotsiny fa « efa betsaka ianareo no miantso mahakasika azy io fa hampitaina amin’ireo tompon’andraikitra ». Hatramin’ny omaly hariva anefa, tsy mbola nisy « intervention » na famerenena ny jiro teny an-toerana.

Efa imbetsaka

Tsy vao izao io fahatapahan-jiro maharitra andro iray mahery eny an-toerana fa efa imbetsaka ihany, ary matetika mitranga izany ny faran’ny herinandro, raha ny voalazan’ny mponina. « Izany dia noho ny fisian’ny « disjoncteur » iray eo akaikin’ny Orinasa Akanjo eo, izay mipika lava. Efa antitra na amboarina na mila soloina mihitsy fa tsy mahazaka ny filàn’ny mponina ety». Raha ny fantatra dia olana mateti-pitranga efa fantatry ny eo anivon’ny Jirama izy io, saingy hatreto dia tsy mbola nisy fandraisana andraikitra na vahaolana naroson’izy ireo mahakasika izany.

Tsy fandriam-pahalemana

Etsy andanin’izay, iahara-mahalala ihany koa fa anisan’ny faritra mena ao anatin’ny resaka tsy – iny faritra Ambatomaro, ao anatin’ny boriborintany fahadimy iny. Raha tsy hiteny fotsiny afa-tsy ny firongatry ny sinto-mahery, hala-botry ary fanendahana mitam-piadiana, tao ho ao izay. Efa manao izay azony atao ireo mpitandro filaminana mandrava ireo andian-jiolahy sy tontakely ireo kanefa, mazava ho azy, fa ny haizina manjaka eny an-toerana dia vao mainka mampirisika ireto farany hanao ny asa ratsy. Hany ka lasa miaina ao anatin’ny tebiteby lava ireo mponina, ankoatra ny fikatsoan’ny asa aman-draharaha rehetra. Dia izany hoe, lasa sorona foana ny vahoaka. Ao anatin’izay anefa, ny vidin-jiro tsy maintsy efaina ihany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici