Miisa valo ireo voasambotry ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Talata Volonondry aloha hatreto. Heverina fa mbola misy ny hafa, eo an-dalam-pikarohana. « Mbola ao anatin’ny famotorana mihitsy izahay amin’izao » hoy ny kaomandin’ny tobim-paritra, raha azonay an-tariby omaly. Io omaly io mantsy no tonga nisambotra ireo mpiasa manamboatra ilay lalam-be mikodana, natao hampitohy an’Antananarivo sy Toamasina, mpiray tsikombakomba tamin’ireo mpangalatra ireo zandary.
Raha ny fampitam-baovaon’ny zandary, ny alin’ny sabotsy hifoha alahady no nahatratra fiara tsy mahataho-dalana « pickup » iray nampiahiahy, nindrana iny lalam-pirenena fahatelo, handeha hiakatra aty an-drenivohitra ireo mpitandro filaminana mpanao fisafoana. Nampiahiahy satria, nitondra solika natao tao anatin’ireny « bidon jaune» izy tamin’io fotoana io, niisa 16 isa. Izany hoe « gazoil » nahatratra hatrany amin’ny 320 litatra tany ho any. Tsy voazavan’ireo mpitondra azy, olona teo tao anaty fiara ny fiaviany sy hitondràna azy. Nony farany dia nibaboka izy telo fa solika vao nalain’izy ireo tamin’ireo fiaraben’ilay orinasa manamboatra ilay lalambe mikodana, tsy lavitra teo ireto solika ireto. Notanana avy hatrany izy telolahy ary nogiazana ilay fiara sy ny entana nentiny.
Mazava ho azy amin’ny toe-javatra tahak’izay dia mazàna tsy maintsy misy firaisana tsikombakomba amin’ireo mpiasa ao anatin’ny faritra ny nahafahana namoaka ireto entana halatra ireto. Avy tamin’izy telolahy voasambotra voalohany ireto no nahafahana nanapaingotra olona dimy hafa, izay samy mpiasa ao amin’io orinasa mpanao lalana io. Samy notanana natao andrimaso ho amin’ny famotorana azy avokoa moa izy valolahy ireto, miandry ny fotoana hanolorana azy ireo eny anivon’ny Fampanoavana.
m.L