- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversTalata Volonondry : Jiolahy maty voatifitra

Talata Volonondry : Jiolahy maty voatifitra

Vita hatreo ny amin’ity olon-dratsy ity, tsy afaka hanohy ny asa ratsiny

Teo am-panaovana ny asa ratsy mihitsy ireto andian-jiolahy ireto no tonga ara-potoana ny zandary. Raikitra ny fifampitifirana teo amin’ny roa tonta. Nisy ny maty : iray tamin’ireo olon-dratsy. Ny alahady tokony ho tamin’ny iray ora maraina tany ho any, nitrangana fanafihan-jiolahy mahery vaika tao amin’ny tananan’Ambaniandrefana sy Antanetibe, samy ao amin’ny kaominina Talata Volonondry. Andian-jiolahy mirongo fiadiana no nandrava ireo tanana ireo. Nampandrenesina avy hatrany ireo mpitandro filaminana tamin’izay fotoana izay, ary tonga ara-potoana teny an-toerana nisian’ireo fanafihana io. « Tsikaritr’ireo jiolahy ny fahatongavan’ny zandary teny an-toerana ka raikitra ny fifanenjehana sy ny fifandonana teo amin’ireo jiolahy sy zandary » hoy ny fampitam-baovao navoakan’ny zandary.  Niezaka nanohitra ireto mpitandro filaminana ireo olon-dratsy kanefa tsy nahahovoka mihitsy. Vao maika aza moa, ny iray tamin’ireo indray no lavon’ny balan’iretsy voalohany. Vantany vao nahita izany ireo namany dia namela ity farany teo ary rafitra nanao tari-dositra nitsoaka. Kitapo iray feno ody ratsy, moara sy zava-maranitra no hitan’ireo mpanenjika tsy lavitra ny toerana nahalavoan’ity jiolahy ity. Niparitaka tao anatiny ihany koa ny sasantsany tamin’ireo entana maro isan-karazany avy nangalarin’izy ireo. Mbola mandeha moa ny fikarohana ireo tafatsoaka ny an-toerana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici