- Publicité SW45 -
mercredi, janvier 15, 2025
AccueilFaits-DiversHopitaly eto Tanà : Mpianatra ho mpitsabo nangalatra entan’ny marary

Hopitaly eto Tanà : Mpianatra ho mpitsabo nangalatra entan’ny marary

Tsy nisy niantra fa avy hatrany dia nidoboka am-ponja eny Antanimora rehefa natolotra ny fampanoavana, taorian’ny fanadihadana savaranonando izay nataon’ny polisy misahana ny heloka amin’ny tambajotra sosialy. “Tovolahy iray 31 taona izay mpianatra ho mpitsabo no nosamborina ny alakamisy teo noho ny fangalarana findain’ireo marary eny amin’ny hopitaly. Maro ireo fitarainana voaray mahakasika tranga fahaverezana entan’ireo marary sy ny mpiandry marary, indrindra fa ny finday” raha araka ny fanazavan’ny polisy eo anivon’ny sampana cybercriminalité. Nanomboka teo dia nametrahana polisy manao fanamiana sivily teo amin’ilay hopitaly lehibe. Manara-maso sy mitsikilo ny tena anton-draharahan’izy ireo. Nisy vokany tokoa izany fomba fiasa izany satria tra-tehaka teo am-panaovana ny asaratsiny ilay tovolahy ary dia noraisim-potsiny. Nanampy trotraka izany koa ny sary hita tamin’ny “camera de surveillance” ary dia nitohoka tamin’ny tenda arak’izany ny porofo rehetra. Finday sy firavaka sarobidy an’ny marary no hita tao anatin’ny horonan-tsary ary dia io tovolahy io hatrany no tompon’antoka tamin’ny fangalarana izany. Mahomby hatrany ny fisian’ny mpitandro ny filaminana manao fanamiana sivily rehefa “hanjono” ny olon-dratsy. Tokony mba miitatra any amin’ny famandrihana ireo mpanao kolikoly eo anivon’ny hopitaly koa izany. Raha ny antontanisa mantsy dia tena anjakan’izany ny toeram-pitsaboana lehibe eto amintsika ary samy mikaikaika ny amin’izany avokoa ireo izay manana ny marary saingy tsy afa-manoatra sao ny marary indray no misy migafy raha misy ny ampamoaka.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici