Sendra nisokatra kely ny maso, avy hatrany dia dimy lahy ranjanana no hita mijoro manodidina ny fandriana. Ao anatin’ny alim-be no nitranga izany tetsy amin’ny fokontany Mangaika, Ambohidratrimo. « Ny fomba nidiran’izy ireo dia nihanika tamboho ary novonoin’ireo jiolahy tamin’ny alalan’ny poizina ny alika miisa roa, novakin’izy ireo amin-kery ny ‘grille de protection’ ary teo no nidiran’ireto farany » raha araka ny fanazavan’ny zandary. Vola efatra tapitrisa ariary sy finday roa ny lasa. Mba tsy nisy naratra satria tsy nisy fanoherana. Nampandrenesina haingana ny zandary ary nanao fisafoana sy fisavàna mandram-parain’andro ny olona nandalo. Nametraka fitoriana olon-tsy fantatra ny tompon-trano ary mandeha ny fanadihadiana avy amin’izany.
D.R