Fantatr’ireto olon-dratsy tsara fa tsy tao an-trano ny vadin’ilay ramatoa, ka notongavan’izy ireo notafihana ny tokantranony. Nasian’izy ireo tam-pitaka ilay ramatoa ka vantany vao voavoha ireo olon-dratsy ny varavarana dia antsy sy fandrahonana avy hatrany no niantefa teny amin’ilay lasibatra.
Ny alina tsy mba namana ary mila mailo foana, satria tsy kely lalana tokoa ny ratsy. Toy ity zava-nitranga tao Ambohimandroso, fokontany Ambohidava, ao amin’ny kaominina Ampangabe, distrikan’Ambohidratrimo ity, ny alin’ny sabotsy lasa teo. Tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany alina tany ho any mantsy no nisy olona tonga nandondona tao amin’ity tokantrano iray. Rehefa nanontaniana ireo nandondona dia nilaza fa naman-drangahy vadiny ihany ary « tonga hanatitra an’ity farany fa mamo be ». Mazava ho azy, olona nanao asa soa ny andefimandrin’ny tena ve moa tsy ho voahaina trano ? Kanjo vao voavaha mihitsy ny varavarana dia roa nitondra antsy maranitra no tao ambadika. Nandrahona an’ilay ramatoa hamoaka ny vola. Lasa tamin’izany ny 260.000 ariary, hoy ny fanazavana azo.
Tamin’io fotoana io ihany dia nampandrenesina avy hatrany ireo zandary teny an-toerana ary tonga faran’izay haingana. Tsy ela taorian’izay dia nandeha ny fikarohana ireo mpanao ratsy ary tsy ela dia voasambotra izy ireo. Mbola tratra teny amin’ny iray tamin’ireo olon-dratsy ireto ny vola nangalarin’izy ireo tao amin’ity tokantrano ity. Izy ireo rahateo niaiky soa aman-tsara ny ratsy nataon’izy ireo. Notanana natao andrimaso avy hatrany tao amin’ny biraon’ny zandary moa izy roa lahy ireto, ho amin’ny famotorana, alohan’ny hanolorana azy ireo eny anivon’ny Fampanoavana.
m.L