- Publicité -
samedi, septembre 19, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToamasina : Artista saika voakapan’ny sabatra

Toamasina : Artista saika voakapan’ny sabatra

Divi-janahary no tsy nahafaty ity mpanakanto antsoina hoe Tsilavina. Nisy andian-jiolahy nanendaka izy ary iretsy voalohany dia tsy nisalasala nampiasa ilay zava-maranitra (sabatra) teny amin’izy ireo. Tsy vitan’izany fa ny lohany avy hatrany no nokendrena, izany hoe tena vonona ny hamono ny tanjona. Soa anefa fa mba nahay niala an’izany i Tsilavina ka mba afa-doza nandritra ity asan-jiolahy teo amin’ny fokontany Morarano, afak’omaly alina manodidina ny amin’ny 9 ora alina. Na izany aza anefa dia lasa ny finday fampiasany. Mampikaikaika ny maro ny asaratsy fanendahana ao an-drenivohitr’i Toamasina. Efa betsaka ihany izay voasambotra na lavon’ny mpitandro ny filaminana izay saingy mbola misy koa ny mipoitra. Isan’ny toerana iparitahan’ny « rôrô » koa ao an-toerana ary mety misy ifandraisany amin’izany ny mampivarina ny tanora sasany any amin’ny asan-jiolahy. Ho avy ity ny fialan-tsasatra ary ny toe-javatra toy izao dia lasa mampiferina aina ny olona ka mila alamina haingana. Iaraha-mahalala fa i Toamasina no isan’ny be mpivahiny indrindra rehefa tonga ny fialan-tsasatra eto amintsika.

D.R

Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici