- Publicité SW45 -
samedi, octobre 5, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversCybercriminalité : Mpisandoka ho minisitra nosamborina

Cybercriminalité : Mpisandoka ho minisitra nosamborina

Efatra no efa voasambotra ary efa nidoboka am-ponja ny roa. “Nahazo fahafahana hanohy ny fanadihadiana avy amin’ny fitsaràna ny polisy ary rehefa nohalalinina ny niavian’ny antso izay fataon’ireo olon-dratsy dia fantatra fa avy any Mahajanga. Natao ny fikarohana ary voasambotra ny olona roa izay hatao fanadihadiana eo anivon’ny cybercriminalité amin’izao fotoana” raha araka ny fanazavan’ny Minisitry ny filaminam-bahoaka omaly nandritry ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety. Ireo olona ireo dia misandoka ho mpikamban’ny governemanta ary mampiasa mihitsy ny anaran’izany mba hanatontosàna asa fisolokiana. Efa tamin’ny volana mey no azo ireo olona roa voalohany ary nidoboka am-ponja. Rehefa nitohy ny fanadihadiana dia tonga hatrany Mahajanga ny fisamborana. Avy amin’ny alàlan’ny tambajotra sosialy facebook hatrany no ampiresahan’izy ireo olona ary hangalany vola avy eo. Azo lazaina ho fahasahiana tsy roa aman-tany ihany ny nataon’ireto mpisoloky olom-panjakana ambony ireto. Dia nieritreritra ve izy ireo fa tsy hihetsika ny manam-pahefana raha mpitondra fanjakana no kitikitihina? Nampiasa ny heriny tokoa ny manam-pahefana ary hita hatramin’ny niavian’ny antso sy ny toerana nisy ny olona. Ankoatr’izay, tsikaritra fa mbola mitohy ihany ny fisolokiana hataon’ireo mpandefa sms milaza fa nahazo loka ny olona. Ireny koa dia mendrika ny samborina hatramin’ny farany satria mamita-bahoaka ary manimba ny fiaraha-monina.

D.R

- Publicité Google Ads -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici