- Publicité SW45 -
samedi, octobre 5, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnjozorobe : Nahazo kaomisaria vaovao

Anjozorobe : Nahazo kaomisaria vaovao

Feno tanteraka ireto toko telo, antoky ny fandriampahalemana any amin’iny distrika’Anjozorobe.

Nanampy ireo rahalahiny eo anivon’ny zandary sy ny tafika, izay efa any an-toerana dia tonga ihany koa ny pôlisy, hisahana ny fitandroana ny filaminana. Notokanana ary nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly ny kaomisarin’ny pôlisy ao Anjozorobe. Tonga nitarika ny lanonana tany an-toerana ny Ministry ny Filaminam-bahoaka, ny Contrôleur Général de Police Rakotoarimanana Herilala. « Izao fotodrafitrasa izao no natao hoy dia ho fanatanterahana ny politika ankapoben’ny fanjakana fa indrindra ny fametrahana fandriampahalemana maharitra manerana ny Nosy ». Tamin’io andron’ny omaly io ihany koa no nanolorana fitaovana, toy ny môtô sy fanamiana ho an’ity kaomisaria vaovao ity. Heverina fa hiaina anaty filaminana amin’izay ny vahoaka, raha toa ka nalaza ratsy amin’ny resaka tsy fandriampahalemana iny distrika iray iny.

Ny hirariana dia enga anie fa mba ho tena izay asa nametrahana azy ireo any izay no hotanterahana fa tsy sanatria, handeha hanampy ny fahorian’ny mponina amin’ny alalan’ny fanararaotana isan-karazany sy ny fangalàna vola tsy ara-drariny indray …

m.L

- Publicité Google Ads -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici