- Publicité SW45 -
samedi, octobre 5, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Nifampitana ny dahalo sy ny zandary, efatra maty

Antsirabe : Nifampitana ny dahalo sy ny zandary, efatra maty

Efa malaza ratsy amin’ny resaka halatr’omby sy fanafihana mitam-piadiana izy ireo, raha ny fampitam-baovaon’ny zandary. Ary nampitondra faisana tokantrano maro tao Vakinankaratra tao. Ny andron’ny alakamisy teo, nifanehatra tamin’ny zandary izy ireo. Nandriaka ny rà.

Tamin’io andron’ny alakamisy lasa teo io, nahazo fampandrenesana ireo mpitandro filaminana fa misy olona mampiahiahy mitondra omby mandalo ny tanana tao Antanambao, distrikan’Antsirabe II. Tamin’io fotoana io ihany dia nandray andraikitra avy hatrany ireo zandary ary nampilaza ireo zana-tobim-paritra teny amin’ny manodidina. Efa fantampatatra ihany mantsy fa tsy maintsy dahalo ireto olona ireto, ka efa niomana tamin’ny paikady rehetra ireo mpitandro filaminana, tonga hatrany amin’ny fanidiana kizo sy ny fanarahan-dia.  Tao anaty vondron’ala, tao Iharandramosa, fokontany Mahatsinjo, kaomina Antanambao, distrikan’Antsirabe II no nifanehatra ny roa tonta ary io velona io fifandonana. Nifampitana tanteraka ireto farany, na ireo mpanenjika na ireo nohenjehina. Ireto farany ihany koa mantsy, tsy nanaiky mora fa namaly. Mafimafy ny fifandonana ka io niafara tamin’ny fahafatesan’ireo olon-dratsy io. Taorian’ny fizahana ny razana no nahafantarana fa izany Lemonjy sy ny namany, dahalo efa raindahiny tanteraka sy efa ela nokarohin’ny zandary ireto lavo ireto. Mahazo mandry ivohon’ny vato indray aloha izany ireo mponina any an-toerana, tsy hitaintaina amin’ny resaka asan-dahalo ato ho ato.

m.L

- Publicité Google Ads -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici