Efa « high level » araka ny fomba fitenin’ny tanora ny nataon-dry zalahy ireto ! Anaran’ireo mpikambana ao anaty Governemanta no hamoronan-dry zalahy pejy, ka entina hisolokiana olona. Tafiditra tao anatin’izay mihitsy ny anaran’Atoa Ministry ny Filaminam-bahoaka. Ny eo tratra, ny hafa manao ihany. Efa maromaro ihany ireo olona tratran’ny mpitandro filaminana, mahakasika ity fisolokiana anaran’olona ambony ity, tao anaty tambajotra sosialy tao. Ny mahagaga dia mbola misy sahy ihany. Toa azy efa-dahy voasambotry ny pôlisy ireto. Asa, nanantena loatra ny fiafenana tao ambadik’ilay kaonty angamba ka nieritreritra ny tsy ho tratra mihitsy. Araka ny fanazavana nomen’ny pôlisy dia tsy vitan’ny misoloky ny anaran’ireo ministra, mpikambana anaty governemanta ry zalahy ireto fa mbola mahavita mitaky vola aman’olona. Ny paik’adiny, mampanantena olona fa hampidirina ho mpiasam-panjakana. Mazava ho azy, efa ny ministra izao kosa no miresaka mivantana amin’ny « mp » sy mampanantena ho mpiasam-panjakana ve moa tsy ho betsaka no roboka ? Ankevitry ny efa maromaro ihany ny vola lasan’izy ireo, raha ny fanazavana azo. Niditra an-tsehaka avy hatrany moa ireo pôlisy misahana ny heloka an’habaka manoloana izao fandikan-dalàna izao, ary nanao ny fomba rehetra hikarohana azy ireo. Tsy ela dia nivaly fikarohana ary ireo tratra ireo aloha izy efa-dahy. Efa natolotra ny Fampanoavana, ka nanapa-kevitra avy hatrany ny mpitsara mpanao famotorana ny hampiditra azy ireo am-ponja, hoy ny fampitam-baovaon’ny pôlisy hatrany.
m.L