Olona efatra no voasambotry ny zandary. Tsy niandry ela na amam-bolana na aman-taona, vao nipoitra sy azo ireo jiolahy nanao ny famonoana, fa roa andro taty aoriana dia hita sy tratra ireo olona nandray anjara tamin’ny famonoana an’Atoa Thonny, mpividy » Rofia, » fa izany tokoa no tonga amin’ilay fiteny mahazatra hoe: ny mandatsa-drà ny mpiara-beloana, tsy maintsy hita foana, ny marina, satria ny rà latsaka amin’ny tany dia manana ny jininy. Raha ny fampitam-baovao voaray hatrany dia niroso tamin’ny fanarahan-dia tamin’ny alalan’ny dian-tongotr’ireo malaso ny mpitandro ny filaminana roa lafy: miaramila sy ny zandary, niaraka tamin’ireo vatan-dehilahy. Efa ho telopolo kilaometatra niala ny toerana nisian’ny fanafihana no nahitana ny dian’ireo malaso, tao amin’ny tanàna atao hoe Tsaratanàna, any amin’ny disitrikan’i Kandreho, ato anatin’ny faritra Betsiboka. Tratra ambodiomby izy efa-dahy niaraka tamin’ny basim-borona sy basy poleta fampiasan’i Thonny. Olona efatra no voasambotra, noho ny famonoana ilay mpandraharaha nandeha môtô hividy rofia ary maty nisy nitifitra, ny alakamisy faha-04 jolay taona 2024 teo, tokony tamin’ny 07 ora mahery 45 minitra tany ho any, teny an-tampon’Amparakoly, fokontanin’Ambalajia, kaominina ambanivohitra amin’ny lalan’i Kandreho. Ny amin’ireo olona voasambotra ireo dia tahak izao manaraka izao, ny iray dia nandray anjara mivantana tamin’ny famonoana, ny anankiray ihany koa nampamono sy nanarama ireo olon-dratsy tamin’ny lelavola 3000 000 Araiary, ny roa indray tompon’ny basy nitifirana an-dRatompokolahy. Ny fampitam-baovao hatrany no nahalalana fa misy jiolahy roa hafa nandray anjara mivantana tamin’ny famonoana, mbola karohin’ny mpitandro ny filaminana fatratra. Ny marainan’ny alatsinainy fahavalo volana jolay taona 2024 teo no nidina any an-toerana ny lefitry ny kaomandy ny kaompania ny zandary i Lietinà Hasina, hanokatra ny fanadihadiana sy hanohy ny fanarahan-dia. Araka ny feo miely etsy sy eroa any any an-toerana, dia hilatsaka ben’ny tanàna ao an-tampon-tanàn’i Kandreho moa ny vadin’ity maty ity, satria izy mivady ireo no anisan’ny mamy hoditra any any amin’io tanàna voalaza etsy aloha io, raha ny vaovao voaray hatrany. Manoloana izany indrindra no nitaky ny marina sy ny nanao antso ny fokonolona, teo amin’ny kianjan’ny la place, amin’ny hilazana ny marina amin’ity famonoana mpandraharaha ity. Efa any Toamasina renivohitran’ny Betsimisaraka kosa ny razana amin’izao.
Ratantely