Roa lahy no voatery nosamborin’ny zandary avy tetsy amin’ny tobim-paritra Talata Volonondry ny faran’ny herinandro teo, noho ny resaka faniratsiràna mpitandro filaminana manao ny asany. Tsy nety nanaiky mora ny lamina sy ny zavatra notakian’ireo mpitandro filaminana nisava azy izy ireo, raha ny fanazavana azo ary vao mainka aza moa nilaza ho nahafantatra mpitsara sy manamboninahitra ambony ka rafitra namalivaly ireto zandary. Teo no ho eo ihany dia nosamborina sy natao famotorana izy ireo. Naseho teo anoloan’ny Fampanoavana ny alatsinainy teo, ary nampidirina am-ponja vonjimaika, miandry ny fotoam-pitsaràna azy. Mazava tokoa mantsy ny voalazan’ny fehezan-dalàna famaizana ao amin’ny andininy faha-224, araka ny lalàna hitsivolana lah.76-042 tamin’ny 17 desambra 1976 fa « ny faniratsiràna amin’ny alalan’ny fiteny, fihetsika, fandrahonana, na an-tsoratra na amin’ny alalan’ny kisary ary natao teo imasom-bahoaka, manamboninahitra, mpitandro filaminana, tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny ministera na olon-tsotra manantanteraka asam-panjakana, eo am-panaovana ny asany, dia mahavoasazy higadra iray ka hatramin’ny enim-bolana an-tranomaizina, miampy lamandy iray hetsy ariary ka hatramin’ny sivy hetsy ariary, na ny iray tamin’ireo sazy ireo ».
m.L