- Publicité SW45 -
dimanche, décembre 22, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAndilamena : Jiolahy namono zandary, maty voatifitra

Andilamena : Jiolahy namono zandary, maty voatifitra

Jarivo ny anarany. Efa enin-taona izay no nokarohina izy rehefa namono nahafaty ny zandary iray, ny Adjudant Noara. Efa tamin’ny taona 2018 no nitranga ilay heloka bevava. Omaly tamin’ny roa ora maraina no raikitra ny tifitra raha nikasa ny hitsoaka izy, tao Antsomanga, fokontany iray ao amin’ny kaominina Bemaitso, distrikan’Andilamena. Raha ny fanazavan’ny zandary dia ny talata lasa teo izy io no azo sambo-belona. « Rehefa avy niafina nandritra izay enin-taona izay dia niverina mangingina teo an-tanànany, ao Befanihy Andrefana, kaominin’i Maroadabo (Andilamena). Nandritra ny fitazonana sy famotorana azy dia, niantso foana ny fianakaviany ary nandroso kolikoly tamin’ny zandary. Omena 20 tapitrisa ariary ny zandary raha mamotsotra azy. Nanamafy izy fa ny debany mpividy vatosoa mihitsy no hanome io vola 20 tapitrisa ariary io ka hatao izay ifanarahana » raha araka ny zandary. « Mody nekena ilay resaka ka nangatahin’ny zandary ny hitondràna azy any amin’ilay deba. Nentin’i Jarivo tokoa ny zandary saingy vela-pandrika izany. Efa nisy dahalo efatra niandry teny an-dalana. Basy mahery vaika sy basim-borona no teny an-tanan’izy ireo. Ny zandary efa mailo mandrakariva ka tsy hatoro voanjo hadiana fa raikitra avy hatrany ny poa-basy. Tao anatin’izany no nanararaotra nitsoaka Jarivo. Voatifitra tao anatin’izany izy », hoy hatrany ny zandary izay nanamarika fa ny tana-kavanan’io Jarivo io koa dia efa lavon’ny zandary tany amin’ny distrikan’i Mandritsara.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici