- Publicité -
samedi, septembre 19, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohimalaza : Fiaran’ny ministera niharan-doza, olona iray naratra

Ambohimalaza : Fiaran’ny ministera niharan-doza, olona iray naratra

Potika tahak’izao ny lohan’ilay fiara tsy mataho-dalana.

Handeha hisongona fiara teo alohany tao anaty fiolanana ity fiara tsy mataho-dalana ity ary nifatratra teny amin’ny tamboho tamin’iny sisin-dalana iny. Olona iray tao anatiny no fantatra fa naratra vokatr’izay, ary nentina nihazo tobim-pahasalamana. Loza niseho tetsy amin’ny lalam-pirenena faharoa, teo amin’ny toerana antsoina hoe Zazamaditra, fokontany Ambatofotsy, kaominina Ambohimalaza, ny alakamisy teo, tokony ho tamin’ny folo ora sy sasany tany ho any.

Raha ny fampitam-baovao azo dia fiara 4×4 marika Mitsubishi, eo anivon’ny minsiteran’ny Rano ity niharan-doza ity. Avy aty Antananarivo handeha ho any Ambatolampikely. Ankevitry ny nandeha mafy ihany ilay fiara ary nikasa ny hisongona taxi-brousse  iray teo alohany, tao anaty fiolanana. Tsy fantatra anefa izay tena zava-nitranga fa nirefotra tampoka teo ny kodiarana aoriana ankavia. Tsy voafehin’ny mpamily intsony araka izany ny familiana ilay fiara ary io namarana ny lalany teny amin’ny tamboho tamin’ny sisin-dalana io ilay fiara. Mafimafy ihany ny dona satria simba tanteraka ny lohan’ny fiara, hoy ny vaovao azo. Vehivavy 38 taona, isan’ireo mpandeha tao anatin’ity fiara tsy mataho-dalana ity no naratra vokatr’izay. Saingy raha ny fampitam-baovao azo dia efa tsy misy ahiana ny ainy, noho ny famonjena haingana nataon’ireo zandary teny an-toerana. Ireto farany izay tonga avy hatrany teny an-toerana taorian’ny loza, nijery ifotony ny zava-nisy sy nanokatra ny fanadihadiana teo no eo.

m.L

Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici