Omaly antoandro no raikitra ny antso vonjy sy tsoka kiririoka. Nisy andian’ankizy nilalao teo amoron-drano no taitra raha naita sachet mainty teo amin’ny rano antsoina hoe Ambohiponana, manamorona ny RN7, ary hita ao Ambositra faharoa. Rehefa nanatona izany ireo zaza dia nitsangam-bolo avy hatrany raha nahita lohan’olona tao anatiny. Nitsoaka avy hatrany no sady niantso vonjy. Vetivety dia tonga tany amin’ny manam-pahefana ny feo ary nisy fidinana ifotony avy hatrany natao. Rehefa nosavaina tokoa ilay sachet dia tena nitombina ny fitantaran’ireo zaza. Nisy lohan’olona mbola mihosin-drà tao anatiny. Raha ny fihevitry ny mpitsabo nijirika izany dia mbola tao anatin’ny 24 ora no namonolona io olona io. Noezahin’ny mpitandro ny filaminana natao ihany ny fitsirihina teo amin’ny manodidina sao mba hita eo ihany ny vatana mangatsiaka, saingy tsy nahitàna na inona na inona. Ny azo natao dia naterina teny amin’ny tranom-patin’ny CHRR an’ny tanànan’i Volafotsy aloha ilay lohan’olona ary nanaovana antso avo izay mety ho manana havana tsy hita mba ho tonga hanamarina ao. Raha ny fanamarihan’ny mpitsabo hatrany dia tombanana eo amin’ny 25 ka hatramin’ny 30 taona eo ilay olona.
D.R