Nirohotra nankeny amin’ny zana-tobin’ny zandary tao Mahajamba ny olona marobe raha vao nandre fa misy mpamono olona voasambotra. Ny atoandron’ny alahady teo no nisehoan’izany na dia feo fotsiny aza no niely mahakasika ity raharaha ity. Nanimba zavatra ary nanakorontana ilay biraon’ny zandary ireo olona marobe izay nangataka ny mba hamoahana ilay voarohirohy ho mpamono olona mba hataon’izy ireo fitsaram-bahoaka. Na dia nohazavaina aza fa tsy misy izany olona izay tazomina ao dia mbola nirohotra ihany ireo andin’olona. Mba hialàna amin’ny rà mandriaka amin’izay mety ho tifitra dia niala moramora ny mpitandro ny filaminana kanefa na izany aza dia mbola nisy tamin’izy ireo no naratra vokatry ny tora-bato. Nisokatra avy hatrany ny fanadihadiana ary dia tsy ho afa-maina izay tompon’antoka amin’ny raharaha izay azo heverina koa fa izay, ankoatr’ireo nanimba sy nandra dia tompon’andraikitra koa izay nanaparitaka ny tsaho izay niaingan’ity rotaka ity.
D.R