- Publicité SW45 -
jeudi, janvier 2, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFifamoivoizana eto Toamasina : Mikorontana tanteraka vokatry ny fahamaroan’ny « cyclo-pousse »

Fifamoivoizana eto Toamasina : Mikorontana tanteraka vokatry ny fahamaroan’ny « cyclo-pousse »

Tena mikorontana tanteraka ny lafin’ny fifamoivoizana noho ny fahamaroan’ny « cyclo-pousse » eto Toamasina ; hany ka betsaka ireo lozam-pifamoivoizana ateraka izy ireny eny an-dalana eny mazana. Tena voafehin’ny mpitandro filaminana mandrindra ny fifamoivoizana intsony izy ireo ka manao izay saim-pantany eny an-dalam-be rehetra eny.

Vokatra izany dia ny ain’ny vahoaka mampiasa azy ireny saika isan’andro amin’ny fitanteraka no mizaka ny tsy eran’ny aina saika isan’andro. Tranga nahatsiravina no nitranga teny amin’ny lalana “boulevard Ralaimongo” iny, satria ilay “cyclo-pousse” indray no nandona ity fiara kamiao mitarika “remorque” ka naratra noho izany ny mpandeha nentiny sy ny mpitondra izany, ka nentina haingana teny amin’ny hopitaly izay tsy ahiahana ny ain’izy ireo amin’izao. Rah any fanazavan’ny nanatri-maso ny tranga, dia nandeha mafy sady nisongona kalesa ilay “cyclo-pousse”, nefa ilay kamio efa tafavoaka ny fiviliana (tournant) ny lohany ka nidona tamin’ilay kamiao ilay “cyclo-pousse” tsy nahatana hisatra intsony. Araka ny fanazavan’ny polisy izay nanao fanadiadiana ny zava-nitranga (constat) dia betsaka loatra ny fahadisoana fanaon’ireo posy ireo isan’andro, ka mahatonga anay hanasazy azy ireo lava isaky ny izay mahatratra, saingy tsy mety fay sy tsy manaka mihintsy izy ireo fa manao ny lohany. Soa aloha fa tsy nahafaty olona ity loza ity, fa raha tsy tafajanona ilay kamiao dia asa izay zava-doza niseho nandritra izany.

Ny zavatra hita koa, dia maika ny hitondra “cyclo-pousse” fotsiny ireo mpitondra azy ireo vahiny, fa ny lalana ombany avy tsy hainy, sy tsy hitany, ary indrindra ny lalan’ny fifamoivoizana izay tena tsy hain’izy ireo mihintsy.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici