Manakohako any amin’ny ampitandrefan’i Menavava, any amin’ny kaominina ambanivohitra Bemokotrà, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna, feo mihely heno, etsy sy eroa, makasika ny fandrahonan’ireo dahalo hanafika tanàna any amin’iny faritra iny. Hatreo aloha dia mbola tsy fantatra mazava ny tena anton’izany, nandritra ny fanadihadiana nataonay tamin’ireo olona maromaro, avy any an-toerana , ny feo ihany koa no re, raha nambaran’izy ireo, fa hisy dahalo hanafika, any amin’ireo tanàna manodidina ranon’i Kaomadio, ao ihany koa moa ireo olona sasany no milaza, fa nahatsikaritra dahalo tsy voafaritr’isa nitondra basim-borona, any an-tampon-kara any. Nohon’izany dia mitebiteby no matory any anaty akata ny an-kamaroan’olona miaraka amin’omby, sady hafenina ny fanana sarobidy , rehefa mitongilana hariva ny masoandro, manoloana ity feo sy fahitavana dahalo hanafika ity. Efa maraina ny mihintsy ny andro na vaky miantsinana ny masoandro, vao miverina mamonjy fiodiana indray izahay, hoy hatrany ireo olona mitantara ny zavatra hiainan’izy ireo. Taorian’izay feo mihely izay hatrany, dia nanamafy ny lehiben’ny borigadin’ny Zandary eto Maevatanàna, rehefa nanontaniana, fa tena misy tokoa ny tatitra azon’izy ireo makasika ny dahalo hanafika tanàna, ary nisy avy hatrany ny fandraisna fepetra noraisina faran’izay haingana, amin’ny fandefasana Zandary maromaro any amin’iny faritra iny, raha ny filazan’ny lehiben’ny borigadin’ny Zandary taminay hatrany. Vokatry ny fisian’ny Zandary any an-toerana vao nanomboka namonjy ny tokan-tranony, ireo fokon’olona, amin’izao hanoratanay ny lahatsoratra izao.
Ratantely