- Publicité SW45 -
dimanche, décembre 22, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversIlaivola Ivato - Vaky fiara : Iray petsapetsa ny « mecanicien »

Ilaivola Ivato – Vaky fiara : Iray petsapetsa ny « mecanicien »

Ireo valolahy voasambotry ny zandary.

Anisan’ireo olona voasambotry ny zandary, noho ny resaka famakiana fiara nitranga teny amin’iny faritra Ilaivola Ivato iny, ny lehilahy iray « mecanicien », niaraka tamin’ny mpanampy azy. Ankoatra azy ireo, ny irakiraka madinidinika sy ny mpividy ireo « pieces » halatra. Ny atidoha moa dia tsy iza fa mpifanolo-bodirindrina amin’ny tompon’ny fiara ihany.

Manoloana ny fahalafosan’ireo kojakoja madinidinika amin’ny fiara, indrindra fa raha vaovao tena izy dia miha-mahazo vahana ireo kojakoja « bonne occasion », na ireo « pieces » efa niasa, marika « d’origine » saingy mbola azo ampiasaina tsara. Izay toe-javatra izay matetika no mampirongatra ihany koa etsy andanin’izay ireo tontakely mpangalatra kojakoja mipetaka amin’ny fiara. Ary ny tena mahavariana sy mahatalanjona dia hain’ireo olon-dratsy tsara ireo « pieces » tena lafovidy amin’ny fiara sy be mpitady. Hainy tsara ihany koa ny manongotra izany ao anaty fiara, tsy ho hita ety ivelany, raha tsy efa mamelona ilay fiara. Toy ity nitranga teny an-toerana ity, raha nataon’ireo olon-dratsy lasibatra ireo kojakoja tao anatiny. « Efa tambajotra iray mihitsy izy ireo, hoy ny zandary. Efa vita paik’ady ny fomba hangalaràna ireo piesy ary tsy miasa irery ireo mpangalatra amin’izany fa miara-miasa amin’ny « mecanicien ». Saika lasibatr’ireo olon-dratsy ireto ny « batterie », ny « calculateur », ny « autoradio », ny kodiara, sy ny maro hafa. Ny an’ny sasany aza, toy ny fitarainan’ireo efa tratra dia lasan’izy ireo hatramin’ny fitaratra sy ny kojakoja mipetaka ety ivelan’ny « môteur ».

Taorian’ny fitairanana napetraky ny tompon’ny fiara, dia nanao ny fikarohana avy hatrany ny zandary ary  izao niafara tamin’ny fisamborana olona maromaro izao. « Nahatratra valolahy ireo voasambotra. Niainga tany amin’ny tompon’ny ketrika ka hatrany amin’ireo mpividy sy mpandray halatra ». Mbola ao anatin’ny famotorana azy ireo moa ny zandary hatramin’izao. Heverina mantsy fa tsy maintsy mbola misy naman’izy ireo hafa any ho any. Raha ny eny amin’ny distrikan’Ambohidratrimo manokana dia mitohy hatrany ny famongorana ireo olon-dratsy sy fakofakon’olona manimba ny tanàna, hoy ny eo anivon’ny zandary.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici