- Publicité SW45 -
mercredi, janvier 22, 2025
AccueilFaits-DiversAmbato-Boeny :  Fifanandrinana tamin’ny dahalo, iray maty, telo naratra

Ambato-Boeny :  Fifanandrinana tamin’ny dahalo, iray maty, telo naratra

Resy tosika ny dahalo ! Nitrangana fanafihan-dahalo mahery vaika tao amin’ny tanànan’i Antanandava/Saonjo, ao amin’ny fokontanin’i Mariarano, kaominina Ankirihitra, distrikan’Ambato Boeny, ny alakamisy teo. Dahalo maherin’ny 20 lahy tany ho any, izay nirongo zava-maranitra sy basy no nandroaka ny omby am-polony maro tao an-tanana. Taorian’io fanafihana io ihany dia niray hina avy hatrany ny fokonolona, nanao ny fanarahan-dia rehefa avy nampandre ny zandary tany an-toerana. Vonona dia vonona ireto fokonolona ny hifanehatra tamin’ireo andian-dahalo. Nanampy hery azy ireo ihany koa dia ny fisian’ireo zandary, izay tonga haingana taorian’ny antso. Tsy lavitra ny toerana nisian’ny fanafihana, tao amin’ny kizon’i Madiromiketrika, ao Atsimo atsinanan’Andranomamy, no nifanehatra tokoa ny roa tonta, ary raikitra ny fifanjevoana. Nirefodrefotra ny basy, narahina kiakiaka tsy an-kijanona. Naharitra fotoana maromaro ihany ny fifanjevoana teo amin’ny roa tonta. Narahana horakoraka taorian’izay rehefa indreny fa nilavo lefona, ary nanao tari-dositra nitsoaka namela ireo omby nalaina ireo andian-dahalo. Fantatra taorian’io fa nisy iray tamin’ireo olon-dratsy no maty voatifitra. Nisy telo tamin’izy ireo ihany koa no hita naratra mafy tao anatin’ny ady, saingy nahay nitsoaka haingana, nampian’ireo namany. Tavela teo ihany moa ny basy nampisain’ny iray tamin’izy ireo. Marihana fa tsy nisy naratra kosa ny taty amin’ny fokonolona sy ireo zandary, hoy ny fampitam-baovao azo. Tsy nijanona hatreo moa ny raharaha ary noraisin’ny zandary an-tanana ny fanohizana ny hazalambo sy ny fampandriana fahalemana any amin’iny faritra iny.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici