- Publicité SW45 -
vendredi, mars 14, 2025
AccueilFaits-DiversFikambanan’ny Silamo malagasy : Dimampolo taona nijoroana teto amintsika

Fikambanan’ny Silamo malagasy : Dimampolo taona nijoroana teto amintsika

Hankalazaina amin’ity taona 2024 ity ny fahadimampolo taona nijoroan’ny Fikambanan’ny Silamo Malagasy (FSM) teto Madagasikara. Anoloan’izany dia nihaona tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny 67 ha ny lohandohan’ireo sampana sy sokajim-pikambanana sy ireo solontenan’ny Mosquée misy eto Anatananarivo ny sabotsy lasa teo. Nandritra izany no nanamafisan’ny mpitondra fitenena fa tsy mivaky ny mpino silamo eto Madagasikara ary manaiky fa ny FSM no reny mpiahy ny Finoana silamo sy ny fikambanan’ny Silamo rehetra manerana ny Nosy. Koa miantso ny mpiray tanindrazana rehetra mba hiray hina izy mba sy tsy ho tafalatsaka ao anatin’ny fizarazarana ara-poko, ara-pinoana sy ara-piaviana. Nanentana ary ny mpandaha-teny ny hitandrovana hatrany ilay fahendrena malagasy manao hoe : Ny Firaisan-kina no hery. Ho fanatanterahana izany dia hanohy hatrany ny asa sosialy izay efa mahazatra azy eo amin’ny fiaraha-monina ny fikambanana. Notsongaina manoka entina mankalaza izao fahadimampolo taona izao ny andinin-teny masina nalaina tao amin’ny Koroany toko faha-3 andininy faha-103, milaza hoe : “Ary mifikira ianareo amin’ny tadin’I Allah fa aza misaratsaraka”. Marihina fa miisa 14 ireo fikambanana mivondrona ao amin’ny FSM ka nanatrika ity fihaonana tamin’ny mpanao gazety ity.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici