- Publicité SW45 -
vendredi, décembre 27, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRN6 : Fanafihana taksiborosy, voadaroka vodibasy ny mpamily sy ny  manampy azy

RN6 : Fanafihana taksiborosy, voadaroka vodibasy ny mpamily sy ny  manampy azy

Efa mampiteny maona sy hampahiratra ny mason’ny jamba ny haratsian’ny lalana any amin’iny lalam-pirenena fahenina iny ankehitriny, ka lasa manararaotra amin’ny asa ratsy ataony, ireo jiolahy malaza amin’ny fanafihana taksiborosy. Raha ny vaovao marim-pototra voaray hatrany dia fiara taksiborosy ao amin’ny kaoperativa  » Kofia, » izay manao zotra rezionaly mampitohy an’i Mahajanga sy Manerinerina avaratra no notafihin’ny jiolahy tsy voafaritr’isa mitam-basy, ny alin’ny talata teo. Rehefa hita sy tsy afaka nandeha mafy ny fiara vokatry ny haratsian-dalana, dia nihazakazaka avy ato aoriana ireo malaso, sady namaha ny varavarana taty afara sy nisikotra ny entana rehetra tao. Taitra tampoko ny mpamily, sady nijanano, ka teo no nanambana basy ary nitaky vola taminy ireo jiolahy. Ity farany anefa nilaza ho tsy nanam-bola, ka nanamafy niteny hoe: any amin’ny tompony fiara avy aoriana ny vola fa tsy aty amiko. Tsy nanaiky ny jiolahy niaraka tamin’ny valin-kafatra tamin’ny teny ratsy na ompa reny, mbola niampy daroka vodibasy tamin’ny mpamily sy mpamily manampy nifanakaiky toerana. Soa ihany fa nisy fiara nitsilo jiro avy lavitra, ka nilefa nalaky ny jiolahy, rehefa nahatazana izany. Teo no tsy nampisy ny aina nafoy, fa izy roa lahy voadaroka vodibasy ihany no naratra mafy. Taorian’izay no tonga ny mpitandro ny filaminana, nijery ny zava-nisy sy nanao ny farahan-dia. Ireo naratra kosa, efa nahazo fitsaboana tao amin’ny hapitalin Ambondromamy tampon-tanàna. Efa antoandrobe nanaharin’ny alarobia teo vao tafiditra tao Mahajanga ny fiara sy ny mpandeha tao anatiny. Marihina fa maro ihany koa ireo entana lasan’ireo malaso nandritra fanakanana ny fiara taksiborosy.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici