Tsy fanenjehana olon-dratsy, na fitandrovana ny filaminana, na fisamborana an’ireo olona mandika lalàna ihany no asa sahanin’ireo Zandary, fa na eo amin’ny sehatra ara-tsosialy aza dia afaka tanterahan’izy ireo hatrany. Ny marainan’ny Alatsinainy 22 Joaly 2024 teo no nifampitaona teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra, tao amin’ny fokontany Morarano sy Antsakoamamy, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna ireo Zandary miasa ato anatin’ny vondron-tobim-pileovan’ny Betsiboka, niara-nisalahy sy nifanome tanana amin’ny fanapenana ireo lavaka teny amin’ny arabe, teo anelanelan’ny lalana( Pk 316 sy Pk 324 + 700.) Tsy fisorohana ny fanakanan-dalana amin’ny lalam-pirenena hataon’ny jiolahy ny tanjona ny Zandarimaria, fa nirotsaka an-tsehatra niaraka tamin’ny fokon’olona monina manamorona ny lalam-pirenena fahefatra na » RN4, » nanampina ireo lavadavaka, izay hahiana hitera-doza sy hiteraka olana hoan’ny mpapiasa lalana. Nararaotin’ireto farany ihany koa ny fanentanana hoan’ireo mpampiasa ny lalana ny amin’ny fanajana ny lalàna manan-kery eto amin’ny tany sy ny firenena, mifehy ny fifamoivoizana amin’ny fanarahana ny lamina an-tsakany sy an-davany. Nohezahana nampahafantarina ihany koe ireo fokonolona manamorona ny lalam-pirenena fahefatra iny, mba handray andraikitra amin’ny fanotofana ireo lavaka mifanandrify amin’ny tranon’izy ireo, izay mety ampidi-doza. Ho hamafisina araky izany ny fiambenana sy fanaraha-maso ny toerana vaofaritra mampidi-doza eny amin’ny lalam-pirenena fahefatra, mba hisitraka sy hizotra am-pilaminana ny mpampiasa ny lalana mandritra ity fotoam-pilantsasasatra ity. Ny lietinà-kolonely Andrianantrehina Hando Dinah, kaomandin’ny vondron-tobim-pileovan’ny Zandariam-pirenena eto Betsiboka no nitarika ireo Zandary tamin’izao hetsika izao, nanampy azy ireo ny fokonolona nanao soroka miara-mialanja.
Ratantely