- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAnjanadoria : Telo mianaka maty nilatsahan’ny varatra

Anjanadoria : Telo mianaka maty nilatsahan’ny varatra

Nahery vaika ny varatra tamin’ny ,sabotsy lasa teo tety amin’ny renivohitra sy ny manodidina. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa tany amin’ny tanana antsoina hoe Ambohimahatsinjo Anjanadoria tsy lavitra an’Antanetibe Mahazaza any Mahitsy, olona telo mianaka, ny rainy sy ny zanany mianadahy, no indray maty nilatsahan’ny varatra. Ilay vavy kely, tapatapaka ny tongony. Tamin’io sabotsy io, efa folaka ny andro, avy ny orana. Olona dimy no tao amin’ilay trano. Tsy fantatra izay zava nisy fa avy hatrany dia niditra tao an-trano ny varatra ary namely azy telo mianaka. Tafavoaka kosa ny zaza roa izay nieren-doza. Tsy vitan’ny nahafaty olona fotsiny ny varatra fa nirehitra ihany koa ny trano ary potika tsy nisy azo noraisina intsony. Noho ny zavatra nahazo ity fianakaviana ity, omaly ihany dia efa nalevina ireo olona namoy ny ainy.

Ankaditapaka-Tanana Ambony. Fa mbola tamin’ny sabotsy lasa teo ihany, nisy olona telo hafa koa voalaza fa maty nilatsaham-potaka teny Ankaditapaka eny amin’ny Tanana Ambony. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa tsy mbola avy ny orana tamin’izay ary mazava be ny masonadro. Nirefotra anefa ny varatra ary dia olona telo mianaka ihany koa no voalaza fa maty, ny rainy sy ny zanany roa.

nangonin’i r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser