Efa nafenina nandritry ny folo volana ireo fitaovam-piadiana ireo. Tany anaty no toerana nametrahana azy ary olona iray ihany no mahafantatra izany. Rehefa misy “opération” hatao ihany vao ahetsika ireo entana. Voasambotra mialoha ny fotoana anefa io lehilahy io ary avy amin’ny fanadihadiana azy no namantarana ny toerana misy ireo basy fampiasany. Natao tokoa ny fikarohana ireo fitaovana ireo tao amin’ny fokontanyantsoina hoe Ankeriky, ao amin’ny kaominina ambanivohitra Malaimbandy. Nentina nijery izany ilay lehilahy izay monina ao Ankilizato ny alin’ny alahady teo. “Tao amin’ny trano vita amin’ny satrana no nametrahany izany ka nahitàna ireo fitaovam-piadiana” raha araka ny fampitam-baovaon’ny zandary ao Menabe izay nanao ny fanadihadiana. Nisy fikasàna hitsoaka tao anatin’izany ary dia nampiasana basy ilay lehilahy ka lavo. Nampitondra faisana ny manodidina ny distrikan’i Mahabo ny fisian’ireo basy ireo ary efa nahalavo olon-tsotra sy miaramila, raha araka ny fanamarihana hatrany. Fikamban-jiolahy antsoina hoe “Emmo-Reg” no mpanao ny asaratsy ary izay koa no nisy io lehilahy antsoina hoe Mamy io. Voalaza ho nampitondra ny mafy ho an’iny faritra iny ireto mpanao ratsy ireto ary isan’ny nampatanjaka azy ireo ny fananany ireo basy. Basy izay fitaovam-panjakana ary tsy misy afa-tsy ny mpitandro ny filaminana no afaka mitazona azy raha araka ny lalàna. Kanefa dia tonga eny am-pelan-tànan’ny jiolahy. Tsara ny vokatra ny dia ny fahazoana ilay jiolahy sy ny fanagiazana ireo basy. Saingy mbola nety kokoa raha hita ny niavian’izany ary faizina tanteraka satria ny fanànan’ny jiolahy basy hatrany no mahatonga azy ireo ho sahy manafika.
D.R