- Publicité SW45 -
mercredi, janvier 15, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatanàna an-tampon-tanàna fahatapan-jiro : Maizin-kitro ny tany aman-danitra

Maevatanàna an-tampon-tanàna fahatapan-jiro : Maizin-kitro ny tany aman-danitra

Manjary tanàna maty noho ny aizina

Efa ho aman-bolana maro no nihainan’ny vahoaka tsy an-kanavaka ny fahatapan-jiro  » maizin-kitro, » teto Maevatanàna an-tampon-tanàna, na tamin’ny taona lasa na tamin’ity taona 2024 ity. Tsy misy fandraisana andraikitra sy filazana fanapahana jiro ny eo anivon’ny orinasa Jiro sy rano Malagasy eto Maevatanàna, fa lasa izay tian’ireo hanapahana ny jiro sy rano, dia mety daholo. Na andro na alina, dia zara raha mahita ny jiro mandeha ny mpanjifa ny jiron’ny Jirama isam-pokontany, ka lasa miverina mampiasa ny jiro gasy netim-paharazana sy la bougie, ary ny panneaux solaires no sisa ny an-kamaroan’olon. Mandeha adin’iray amin’ny alina, dia rahapitso maraina indray no misafosafo kely ihany ny fandehanan’ny jiro. Mafy ka tena mafy ny zavatra lalovan’ny mponina amin’ity fahatapan-jiro ity, any ka lasa tena potika ny fianam-bahoaka, amin’ny zava-misy aty amin’ny renivohitran’ny faritra Betsiboka. Tsy misy fandraisana andraikitra ataon’ny tompon’andraikitra aty ifotony, manoloana ny fahatapan-jiro misy, fa toa manam-bekibo fotsiny no ataon’ireo aty an-toerana. Ny orinasa Jirama sy ny orinasa First Energy moa fa tsy tenenina intsony, satria ireo orinasa roa, voalaza etsy ambony ireo no miantoka ny fampandehanana ny jiro aty an-toerana, saingy tsy hita izay hilavan’azy. Nohon’izany dia manao antso avo ny mponina amin’izao fahatapan-jiro tsy mety manam-pavitana izao. Mba hamahan’ny tompon’andraikim-panjakana mahefa any Antananarivo ny olana misy.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici